Sosialy

Paska nivadika ho zava-doza Telo mianaka natelin’ny ranomasina


  • Talata 23 Aprily 2019

Semban-drahona ny fetin’ny paska ho an’ity fianakaviana iray nisafidy ny niala sasatra tao Fenerivo atsinanana ity. Telo mianaka be izao, izay olona avy any Antsirabe niala sasatra no indray natelin’ny ranomasina nandritra izany. Tovovavy 14 taona sy 17 taona ary ny rain’izy ireo izao maty izao izay avy any Antsirabe ny fiavian’izy ireo.

 

Taorian’ny fotoam-bavaka dia nisafidy ny nandeha nilalao ranomasina tao amin’ilqy faritra antsoina hoe « la piscine » ao Ampasipotsy izy ireo. Be olona moa ilay toerana ka nisafidy ny toerana somary mitokana izy ireo nefa faritra misy ranomasina somary mahery ihany any an-toerana. Nilalao tsara teo amoron-dranomasina izy mirahavavy, saingy noho ny onja dia nentiny niditra lalina izy roa ka raha niantso vonjy tamin’ny rainy, dia tonga nanavotra ity farany saingy naira-natelin’ny onja izy telo mianaka. Niezaka nanavotra azy ireo ny samy mpitsangatsanga teo saingy raha nikasa ny hanavotra izy ireo dia ny onja no nanelina azy telo mianaka. Raikitra avy hatrany ny fikarohana saingy tsy hita izy miarahavavy raha tsy tamin’ny 2 ora tolakandro ary efa alina vao hita ny rain’izy ireo. Ankilan’izany dia tovolahy iray mpiala sasatra tao Toamasina koa no natelin’ny onjan-dranomasina tao amin’ny fari-dranomasin’ny lycée J Rabemananjara Salazamay ny alahady ny paska atoandro teo, saingy haingana ny famonjena sy ny fahitana azy ka avotra ihany ny ainy raha efa natao avokoa ny famelomana azy anndritra izany. Efa misy soratra hoe “tsy azo ilomanosana” ny fari-dranomasin’ny lycée J Rabemananjara iny noho ny herin’ny onja, saingy mbola misy hatrany ny mandika izany ireo mpiala sasatra sy ireo tompon-tany sasany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT