Sosialy

Paska hafakely Nidina avokoa ny vidin’entana


  • Talata 14 Aprily 2020

Anisan’ny fety tena manan-danja ho an’ny isan-tokantrano ny fetin’ny Paska. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia niavaka izany noho ny fahasahiranana nateraky ny fihibohana.

 

 

 

Tsy dia nanam-bola nampiasaina firy ny isan-tokantrano raha tsy sahy maka entana betsaka ihany koa ny mpivarotra noho ny ora fivarotana voafetra ho amin’ny 12 ora atoandro ihany. Nidina avokoa ny ankamaroan’ny vidin’entana vokatr’izany. Ho an’ny atody ohatra dia mbola nahitana 370 Ar ny iray teny an-tsena raha tafakatra 600 Ar izany isan-taona. Ho an’ny akoho amam-borona indray dia zara raha nisy nividy izany hany ka 12 000 Ar dia nahazo ganagana ampy ho an’olona efa-mianaka. Nidina ho 10.000 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony raha 14 000 Ar teo aloha.Ho an’ny voankazo indray dia zara raha nisy 10 kg sisa no lafon’ny mpivarotra iray raha nahatratra 40 kg tamin’ny taon-dasa. Mbola hamidy mason-karena ihany koa anefa izany raha vantany vao migadona ny amin’ny 12 ora atoandro sao tratran’ny mpitandro ny filaminana. Nilamina moa ny fetin’ny Paska teto an-drenivohitra tamin’ny ankapobeny na izany aza noho ny tsy nahafahana nivorivory sy nivezivezy tetsy sy teroa hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina coronavirus.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT