Sosialy

Parking manokana eto an-drenivohitra Tsy mbola nisy nahazo fahazoan-dalana


  • Talata 14 Janoary 2020

Namoaka fanambarana mikasika ny mety ho famaritan’ny mponina sasany eto an-drenivohitra ny tobim-piantsonana ho azy manokana ( parking privé) ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

 

Nambaran’ny talen’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra fa tsy mbola nisy nahazo izany hatreto na dia iray aza. Efa tapitra tamin’ny 31 desambra lasa teo avokoa ny fahazoan-dalana manan-kery rehetra nomen’ny kaominina. Tsy misy afaka milaza fa manana na nahazo izany izy ireo. Miandry ny fahavitan’ny tetibolan’ny kaominina amin’ity taona vaovao 2020  ity kosa ny fahafahana mamoaka ny fahazoan-dalana vaovao  ankoatra ireo ny fandaminana sy ny fepetra mety horaisina. Mahavoasazy ireo nahazo fahazoan-dalana teo aloha  ny fitazomany  ireny toerana ireny amin’ny alalan’ny hazo na vato na rojo vy…. iarovana  ilay tobim-piantsonana. Hisy moa ny fepetra horaisin’ny kaominina ho an’ireo izay minia mandika fandaminana  napetrak’izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT