Sosialy

PARAKY SOANIERANA Fatin-dehilahy nihohoka tao anaty tatatra


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty nihohoka tao anaty tata-drano tetsy Paraky omaly.

 

Olona sendra nandalo no nahita ity lehilahy ity nihohoka efa voky rano no sady efa tsy nisy fofon’aina intsony ka nampandre ny  tompon’andraikitra . Maro ny tombana nataon’ireo nanatri-maso raha nahita ny fatin’ity  lehilahy ity. Tao ireo nilaza fa mety ho novonoina mpanendaka na mpangarom-paosy izy ary nalefany tao anaty tatatra taorian’izany. Tao koa ireo nilaza fa mety ho mamo ity lehilahy ity ary nianjera ka tsy afa-nikofoka tao anatin’io tatatra nisy  rano maloto io intsony. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no hanamarina izany saingy na izany aza dia mila mitandrina isika. Diso manjaka loatra mantsy ny tsy fandriampahalemana satria vao amin’ny 06 ora hariva dia efa misy manendaka sy mamono eto an-drenivohitra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT