PAOSITRA-PETITE VITESSE

Lamandy 50.000


  • Talata 14 Jolay 2026

Ar ho an’ireo mpivarotra tsy manadio

Tsy hitsitsy intsony ny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ireo mpivarotra tsy mahalala manadio ny faritra misy azy. Nanatanteraka fanentanana momba ny fahadiovan'ny toeram-pivarotan'izy ireo ny avy eo anivon'ny kaominina omaly. ‎Na dia efa nampahafantarina sy nangatahana aza mantsy ireo mpivarotra hanadio ny fako sy ny loto ateraky ny asany dia mbola misy hatrany ireo mandà tsy hanatanteraka izany sady naneho fihetsika tsy mendrika tamin'ny tompon'andraikitra. Araka ny fitsipika manan-kery noho izany dia voasazy tsy mahazo mivarotra mandritra ny 15 andro izay tratra no sady mandoa lamandy 50 000 Ariary. Ny hanomezana tontolo madio, milamina ary mendrika ho an'ny rehetra no tanjona. Tafiditra ao anatin''izany ny fampianarana azy ireny hahay hanaja ny manodidina azy fa tsy ho tia tena. Pati
Légende : Tokony hahalala madio tahaka izao ny mpivarotra rehetra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT