Sosialy

Paositra Malagasy Mampahafantatra ireo karazana hajia nampiasainy hatramin’izay


  • Talata 08 Oktobra 2019

Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny paositra izay marihina isaky ny datin’ny 09 oktobra ny paositra Malagasy.

 

 

 

Etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina no hanatanterahin’izy ireo nanomboka omaly ka ankoatra ny fampahafantarana ny rehetra ny asan’ny paositra Malagasy dia misy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazana hajia nisy hatramin’izay nampiasaina  teto amintsika, nanomboka tany amin’ny vanim-potoanan’ny faha Mpanjaka ka hatramin’izao repoblika fahefatra izao. Hofaranana amin’ny fitokanana ny biraon’ny paositra laharana faha-255 eny Vassacos ny lanonana rahampitso alarobia 09 oktobra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamarihana ny faha-25  taona namadihana ny anarany ho paositra Malagasy raha PTT no nahafantaran’ny maro azy tany amin’ny taona 1994-1995 tany ho any. Mikasika ny fampiasana ny paositra money manokana moa dia fantatra fa efa mahatratra 20.000 ankehitriny ireo mpanjifan’izy ireo  tao anatin’ny roa volana, raha efa manaraka ny teknolojia tanteraka ihany koa ny fomba fiasan’izy ireo rehetra ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT