Sosialy

Paosin-dra Misy mivarotra 90.000 Ar eny amin’ny sisiny


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Mbola vao 20 % monja ireo mpanome ra an-tsitrapo eto amintsika ankehitriny raha 100 % no tanjona napetraky ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana.

 

 

 

 

 

Manoloana io fahakelezan’ny tahan’ireo olona mpanome ra an-tsitrapo io dia tafiditry ny mpikarama an’ady ity sehatra ity. Efa  misy mivarotra 80.000 ka hatramin’ny 90.000 Ar mantsy amin’izao ny iray ary mbola lafo lavitra noho izany any amin’ny faritra. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izay ny profesora Randriamanantany  misahana ny fanomezan-dra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ka nambarany fa  hafa ihany ny ra azo avy amin’ireo mpanome an-tsitrapo sy ireo fianakaviana manana ny tsy salama. Mety ho olona avy nisotro toaka na tsy ampy torimaso mantsy no nivarotra ilay  paosin-dra80.000 Ar iny ka mety hisy fiantraikany goavana eo amin’ny fahasalaman’ilay marary. Ho an’ireo mpanome ra  an-tsitrapo dia maro ny fepetra takiana amin’izy ireny vao afaka manome ra izy ireny ho fitsinjovana ireo marary mila famonjena.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT