Sosialy

“Panier garni” ho an’ny mpiasam-panjakana Ny hahazoan’ny rehetra anjara no natao tanjona


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Resabe tao ho ao ny mikasika ny fitsinjarana ireo fanomezana hiatrehana fety ho an’ny mpiasam-panjakana. Isan’ny niharan’izany resabe izany indrindra, ohatra, ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana tekinika.

 

 

 

97 226 eo raha atotaly ny isan’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ity Minisitera ity, raha ny fanazavan’ny tekinisianina iray. Izy no azo lazaina fa maro an’isa indrindra. Tsy afaka hanao zanak’Ikalahafa ireo olombelona ao aminy  ny minisitra Volahaingo Marie Thérèse, hoy hatrany ny fanazavana. Fanambin’ny  filoha Rajoelina  rahateo  ny hitsinjovana ny olon-drehetra. Araka ny torimarika amin’io tetibola hatao solom-body akoho avy amin’ny filoha  io dia ny mpiasam-panjakana  misoratra  ao anatin’ny kajy  mirindra  na ‘’Augure’’  ihany no misitraka ny  ‘’Panier garni’’ na ilay 65 000 ariary saingy raha omena izany daholo kosa ireo mpiasa miisa 97 226 dia mahatratra hatrany amin’ny 6.319.690.000 ariary ny fandaniana ho an’io minisitera iray io fotsiny. Nezahan’ity minisitera ity, noho izany, ny nitsinjara ny vola rehetra teo am-pelatanany mba ho an’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka. Ao anatin’izany ny  mpampianatra mpiasam-panjakana, mpampianatra Fram rehetra, ny mpampianatra an-tselika any amin’ny fampianarana teknika mba hanaovana fety hitambarana isan-tsekoly. Ny Dren sy ny Cisco no mandamina sy mandrindra ny fizarana io vola io ho an’ity minisitera ity ary efa misy ny torimarika mazava momba izany ka tokony ny vola voarain’ny tsirairay ihany no anaovany sonia, hoy ny fanazavana. Misy minisitera sasany aza moa mbola nampiato ny fizarana io anjara vola io mba hisorohana resabe, raha ny heno tamin’iny faran’ny herinandro iny. Isan’izany, ohatra, ny minisiteran’ny fahasalamana. Ny sabotsy teo kosa ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena no nizara izany ary ny an’ny minisiteran’ny tontolo iainana dia natao akoho sy menaka mba ho fitsinjovana ny rehetra, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT