Sosialy

Ozinina famokarana sakafo any Atsimo Halefahana ny haban-tseranan’ny Fondation Mérieux


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 16 jona ny fandraisan'ny fanjakana an-tànana ny haban-tseranana sy ny hetra manokana

 

 

 

 momba ny fampidirana “containers” misy famokarana fanampin-tsakafo eto Madagasikara. Ny 15 martsa 2021 lasa teo, teto Antananarivo, ny Fondation Mérieux dia nanambara ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny ady atao amin'ny tsy fanjarian- tsakafo amin'ny alalan'ny fametrahana ozinina famokarana fanampin-tsakafo ao Tolagnaro ho an'ireo mpianatra any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, hoy io tatitra io. Vonona hanolotra maimaim-poana ihany koa “containers” fanampiny misy fitaovana famokarana fanampin-tsakafo ity “Fondation” lehibe ity. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny “Fondation Mérieux” sy ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena dia ankizy miisa dimy alina (50.000) any amin'ny faritra Anosy sy Androy no hisitraka ny vokatrio ozinina lehibe famokarana fanampin-tsakafo io, ka hahatratra 600 taonina isan-taona ny famokarana. Marihina fa hozaraina maimaimpoana any amin'ireo toeram-pisakafoanana an-tsekoly na “Cantines scolaires” maro izany. Resy lahatra amin'ny vokatra tsara ateraky ny fisian'izany ozinina izany sy ny tombontsoa entiny ho an'ny daholobe, indrindra ho an'ny ankizy any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena koa izany indrindra no nangatahana io fanalefahana haban-tseranana sy fanalefahan-ketra manokana io, hampidirana ireo containers misy famokarana fanampin-tsakafo natolotry ny Fondation Mérieux ireo.

 

Tsiahivina fa efa ny 4 aogositra 2020 nandritra ny kabariny nivantana avy tany Atsimo no nilazan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa ho avy afaka iray volana sy tapany ny Ozinina Nutriset izay fiaraha-miasa amin’ny Fondation Mérieux, ary miverina resahina io indray ankehitriny. Andrasana indray ny ho fahatanterahany, ary irariana mba tsy ho toy ny tramway nolazaina fa efa any anaty sambo tamin’ny tetezamita.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT