Sosialy

OTIV Boeny Mangahiahy fotsiny sisa ireo mpikambana nanana petrabola tao


  • Talata 16 Martsa 2021

Mahatsiaro voarirarira ireo mpikambana nanana petrabola tao OTIV Boeny.

 

 


 Nazava ny tatitry ny filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny alarobia 06 janoary 2021 milaza fa tsy maintsy haverina ny ampahany amin’ny volan’ireo mpikambana. Araka io tati-baovao io hatrany dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV Boeny. Ary, tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana. Telo volana aty aoriana, tsy mbola misy mangirana ny famerenam-bola hoy ireo mpikambana manana petrabola tao. Tsy very hafoy nefa koa tsy hita hantenaina ny volanay mihitsoka ao amin’ny OTIV Boeny, hoy izy ireo. Alefa mankany amin’ny Paositra izahay, fa hoe efa nisy fifanarahana eo amin’ny PAOMA (Paositra Malagasy) sy ny OTIV Boeny rehefa noraisin’ny fitondram-panjakana an-tànana mivantana famahana ny olan’ny OTIV Boeny, amin’ny alàlan’ny fidirana an-tsehatry ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra. Nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izay famahana ny olan’ny OTIV Boeny izay tao Antananarivo. Rehefa tonga any amin’ny Paositra anefa izahay dia milaza indray ny ao fa tsy mbola misy resaka mikasika izany famerenam-bolan’ny mpikambana tao amin’ny OTIV Boeny izany. Very fanahy izahay, hoy ireo mpikambana, izay nomena fampanantenana fa ho voavaha tamin’ny jona 2019 ity olana ity nefa hatramin’izao manjary tompony mangatak’atiny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT