Orinasa Vitaplast

Tsy hanaiky ny tsy rariny intsony ny mpiasa


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Miaina ny tsy rariny ireo mpiasan’ny Vitaplast. Tsy manaja ny zon’olombelona

ity orinasa ity, hoy ireo mpiasa. Hatramin’izay dia esorin’ny orinasa amin’ny karaman’ny mpiasa ny fahatapahan’ny jiro, izany hoe ny mpiasa no mandoa izay fatiantoky ny orinasa amin’ny delestazy izay tsy miankina amin’izy ireo. Nambaran’ireo mpiasa ihany koa fa tsy voahaja ao amin’izy ireo izany zon’ny mpiasa izany. Terena ankolaka ireo mpiasa hanaiky izay tian’ny orinasa. Isan’izany hoy ny solotenan’ny mpiasa ny fampiasana azy ireo mandritra ny 24 ora tsy an-kiato raha valo ora no voafaritry ny lalana. Raha vao tsy tonga miasa indray anefa avy eo dia esorina amin’ny karama. Ny fikarakarana ny lafiny sosialin’ny mpiasa moa dia efa tsy tenenina intsony. Nambaran’ny solotenan’ny mpiasa ao amin’ny Vitaplast ihany koa omaly nandritra ny fitokonana izay nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny solotenan’ny mpiasa, Andriamatoa Andriamanantsoa Jocelyn, fa antony nanaovana ity hetsika teny amin’ny tokotanin’ny orinasa Anosizato andrefana ny tsy fanarahan’ny orinasa ny didim-pitsarana milaza ny tsy tokony hanapahana ny karaman’ny mpiasa na dia tapaka aza ny jiro. « Tsy izahay hoy ireo mpiasa no toponantoka amin’ny fahatapahan’ny jiro koa nahoana izahay no hizaka mivantana ny vokany, izahay ihany koa dia miditra amin’ny ora voatodron’ny orinasa ary tsy mirava raha tsy amin’ny ora ara-dalana ihany , tsy afaka mody na sy misy asa atao aza fa miandry izay hiverenan’ny jiro ». Tsy nanaraka io didy ion y mpampiasa fa dia nalefany « Chomage Technique » ireo izay mijoro manoloana ny tsy rariny sy mitarika hetsika tahaka izao. Miantso ny fanajakana araka izany ireo mpiasan’ny Vitaplast ireo mba hijery izao raharaha izao fa tena mihevitra azy ho fanjakana anaty fanajakana mihitsy ny teratany vahiny topon’ity orinasa ity . tsy manaja mpiasa, mandika ny lalana mifehy ny asa eto amintsika ary tsy manaiky ny didimpitsarana navaoakan’ny fitsarana malagasy
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT