Sosialy

Orinasa Star sy ny fondation Coca Cola Nanampy ireo hopitalim-panjakana


  • Alarobia 13 Mey 2020

Nanolotra fanampiana ho an’ireo hopitalim-panjakana telo eto amintsika ny orinasa Star ny fondation Coca Cola amin’ny fiatrehana ny tsimok’aretina Coronavirus. Fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 dolara no natolony ho an’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, omaly.

 

 

Tanjona amin’izany ny hanampiana manokana amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ny CHU ao Toliara, ny CHR any Maintirano, ary ny CR an’ny distrikan’Ikamavony no notolorana izany izay noraisin’ny ministeran’ny fahasalamana an-tanana ny fitsinjarana azy. Ao anatin’ny 60 andro no hahatongavan’ny sambo sy kaontenera mitondra ireo fitaovana ireo eto amintsika hoy ny avy amin’ny orinasa Star. Tao anatin’ny hafaliana no nandraisan’ny Ministera izany vaovao izany ary nampantena izy ireo fa hampiasa ny fitaovana araka ny tokony ho izy ho tombontsoan’ny reny sy ny zaza tokoa. Tafiditra ao anatin’ny asa sosialy tanterahin’ny orinasa Star entina hanampiana ny mpiara-belona moa ity fanolorana fanampiana izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT