Sosialy

Orinasa STAR Nanolotra fanampiana ho an’ny zaza kamboty


  • Talata 15 Desambra 2020

Ny orinasa STAR no anisan’ ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Polisim-pirenena.

 

 

 

Tsy hadinon'izy ireo noho izany ny nitondra fanomezana ho an'ireo ankizy kamboty tezain'ny Polisy ao Ambatolampy noho izany.Nandritra ny fitsidihana nataon'ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny faran’ny herinandro tany an-toerana no nanoloran’ity orinasa ity boky sy zava-pisotro tsirairay ho an'ireo ankizy tezaina ao amin'ny akany. Ankizy am-polony no hahazo tombontsoa tamin’izany, izay nandray izany tamim-pifaliana avokoa. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fanampiana tahaka izao dia miezaka hatrany ny manao tsipaipaika ny polisim-pirenena hanampiana ireo zanaky ny namany lavo am-perin’asa tezaina eny amin’ireny ivon-toerana ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT