Orinasa Star

Nanolotra bodofotsy ho an’ny marefo


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Toy ny isan-taona dia manavao ny fizarana bodofotsy ho an’ireo tokantrano sahirana

ny kaonsilin’i Monaco sy ny STAR, fizaràna izay mitsinjo manokana ny ankizy madinika sy ny zokiolona isam-pianakaviana amin’izao vanim-potoanan’ny hatsiaka izao. Ny taona 2019 no nanomboka ity hetsika fizaràna bodofotsy ity ka tokantrano maherin’ny 10.000 manana zaza latsaky ny 5 taona no nisitraka izany hiatrehana ny vanim-potoana ririnina. Amin’ity taona ity kosa, ny kaonsilin'i Monaco sy ny STAR dia nijery ihany koa ny zokiolona, izay voasokajy ho marefo amin'izao ririnina izao. Tokantrano 100 miparitaka amin’ny fokontany folo no samy hahazo bodofotsy. Natomboka omaly Alarobia 17 Jolay ny fizarana ny fanomezana ka ny mponina ao amin’ny fokontany Ankazomanga Tsaramasay sy ny 3G Hangar Antohomadinika no nisantatra izany. Hitohy anio Alakamisy 18 Jolay ka hatramin’ny Alarobia 24 jolay izao ny fizaràna ka hisitrka izany koa ny Fokontany Ifarihy Tanjombato, Ambohibahiny Tanjombato, Iavoloha, Lohanosy, Analamahitsy, Alarobia Amboniloha, Vakinampasika ary Manankasina Ambohimanga. “Ezahinay ovainay isan-taona ny fokontany hanaovana ny fizaràna mba hahazoan’ireo tokantrano sahirana samihafa amin’ny toerana samihafa tombontsoa hoy i Adèle Ramamonjisoa, Talen’ny Fandaharan’asa eo anivon’ny kaonsilan’i Monaco Ny STAR no mamatsy vola hividianana ireo bodofotsy. Ny kaonsilin’i Monaco sy ny fokontany voakasika kosa no miandraikitra ny fitsinjarana izany isam-pianakaviana.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ireo bodofotsy mafana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT