Sosialy

Orinasa STAR Namoaka zava-pisotro mifanaraka amin’ny toetr’andro


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Namoaka zava-pisotro mifanaraka amin’ny toetr’andro ny orinasa Star. Boisson gazeuse pression izy io, amin’ny endriny vaovao saingy miaro ny tontolo iainana kosa. Amin’ny alalan’ireny vera 30 sentilitra ireny no misy azy,

 ahitana karazany 3 dia ny bonbon anglais, ny coca cola ary ny fanta orange. Ho an’ny vera manokana dia fantatra fa natao indrindra hiaro ny tontolo iainana ny fampiasana azy io izany hoe : azo averina haodina indray fa tsy tahaka ny tavoahangy plastika izay tsy mety levona am-polony taonany maro ka mety hanimba sy handrava ny nofontany. Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy teny amin’ny Akoor digue ny fisian’ity zava-pisotro amin’ny endriny vaovao ity. Toerana roa hatreto no mbola ahitana azy toy ny eny amin’ny Tana Water Front. Raha araka ny fantatra moa dia mbola hisy ihany koa ny vokatra vaovao hiarahan’ny orinasa Star amin’ny KFC amin’ny volana desambra ho avy izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fakana ilay ranom-boankazo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT