Sosialy

Orinasa SPM Ho avy ny vary 21 400 taonina


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

Araka ny fampahafantarana nataon’ny orinasa SPM SA (State Procurement of Madagascar), miandry sambo amin’ity faran’ny herin’andro ity sisa ny vary tsinjo 13 100 taonina dia hanainga avy any Inde. Marihana fa izy io dia

fanampin’ireo vary Tsinjo 8 300 taonina izay efa hanainga any Inde ny zoma 20 Aogositra ho avy izao, hoy io fampahafantarana io. Raha hatambatra dia 21 400 taonina izany ireo vary ambara fa ho avy. Tafiditra ao anatin’ilay vahaolana nambaran’ny Filoham-pirenena ny 8 aogositra ve izany io? Raha tsiahivina dia naneho ny Filoha, fa hisy ny fampiresahana amin’ny mpandraharaha. Namoaka teny ihany koa anefa, fa afaka manafatra sambo 4,5,6 eny hatramin’ny 20 ny Fanjakana amin’ny famatsiana entana ilaina amin’ny andavanandro. Taorian’ny kabarin’ny Filoham-pirenena, ny ampitson’iny ihany dia nisy ny dinika niarahan’ny mpandraharaha sy ny Minisiteran’ny varotra, saingy tsy hita izay tena tapaka. Ny fanafarana vary mora aloha izany no hitan’ny Fanjakana fa hevitra mety, saingy toa tsy nahavaha olana io hatreto na mety mahavita izay ho vitany tokoa aza satria tsy vao izao no nanaovana izany. Vahaolana ao anatin’ny 3 andro no nambaran’ny Filoham-pirenena momba ny fidangan’ny vidim-piainana, izany hoe tsy ny vary ihany fa rehefa entana ilaina andavananandro: vary, menaka, siramamy,… eny hatramin’ny solika aza satria tafiditra azon’ny SPM atao ihany koa ny manafatra solika ary isan’ny antony nananganana azy ny novambra 2019. Andrasana ny vahaolana maharitra sy mafonja taorian’ny fampanantenana nipoapoaka. Mila jerena ihany koa ny fahefa-mividin’ny vahoaka, izay tena ambany dia ambany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT