Sosialy

Orinasa Socolait Hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiompy


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Nanana olana tamin’ny akora fototra nampiasainy teo aloha ny orinasa Socolait ka nanery azy hanafatra vovo-dronono tany ivelany. Efa niravona tanteraka ankehitriny ny olana.

 

 

 

Efa vitan’ireo mpiompy ombivavy be ronono ao Antsirabe ny mamatsy ronono azy ireo hanamboarany ireo karazan-tsakafo vita amin’ny ronono vokariny. Nivoitra ireo nandritra ny fanomezany sakafo maimaimpoana ny mponina teny Besarety ny sabotsy teo. Marobe ireo nahazo tombontsoa, anisan’ireny ireo zokiolona sy ny ankizy madinika. Tanjon’ny orinasa ny mba hampihinana sakafo maraina ny olon-drehetra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Betsaka mantsy ireo tsy afaka mihinana intsony noho ny hasarotan’ny fiainana, antony mampitombo isa ireo olona marary vavony. Hitohy any Antsirabe ny hetsika, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny ronono mandry mamy Socolait, ka hanamarika izany ny fihenam-bidy amin’ny ronono vokariny hatramin’ny faran’ny taona.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT