Sosialy

Orinasa mpanao Goudron eny Alasora Mbola olana tsy mety voavaha…


  • Talata 12 Novambra 2019

Taorian’ny hetsika nataon’ireo mponina monina eny Ankazobe Alasora mikasika ny tokony hanalana tsy misy hatak’andro ilay orinasa mpanodina goudron terena hatsangana eny an-toerana dia nisesy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana…

 

 

               

 Fantatra tamin’izany fa nasaina nampitsahatra avy hatrany ny asany ity ozinina ity izay efa nanao andrana in-droa ka nankarary olona mihoatra ny fito ary zaza vao herintaona monja ny iray. Mbola nisy ihany anefa ny di-doha nataon’ilay teratany sinoa tompony ka nisy indray ny fampitandremana voarainy ny faran’ny herinandro teo. Miditra amina dingana hafa indray anefa izy  ireo  rehefa tsy nahazo rariny tamin’ireo tompon’andraikitra. Raha araka ny feo ren’ireo fokonolona monina eny Ankazobe Alasora dia mampanangon-tsonia ireo olona monina eny an-toerana indray ilay teratany sinoa, olona izay voalaza fa karamainy 50.000 Ar tsirairay mba hilaza sy hanamafy fa ilainy ity orinasa ity hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa misy eto amintsika. Nomarihin’ireo mponina omaly anefa fa tsy hiasa amina orinasa mpanimba ny tontolo iainana sy mpamono olona tahaka ity orinasa mpanodina goudron ity ny taranany. Takian’izy ireo hatrany, araka izany, ny hanalana tsy misy hatak’andro ity orinasa iray ity eny an-toerana. Ankoatra ny mponin’Ankazobe Alasora, hoy izy dia ho lasibatra daholo ny mponin’Antananarivo noho ireo faikana goudron tsy maintsy alefa ao amin’ny ranon’Ikopa izay mandalo eny an-toerana.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT