Sosialy

Orinasa Kraoma S.A Mitokona sy mitaky ny fialan’ny Rosianina eto


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Nanatanteraka fitokonana nanoloana ny orinasan’izy ireo tetsy Ampefiloha nanomboka omaly ireo mpiara-miasa eo anivon’ny orinasam-panjakana Kraoma S.A.

 

 Anton’ity fitokonana fanairana mandritry ny 3 andro ity moa, raha ny fanazavana, dia satria tomponandraikitra feno amin’ny fitadiavana ny mpanjifany hatramin’izay ity orinasa ity. Nanomboka ny faramparan’ny taona 2015 anefa, hoy izy ireo, dia niditra an-tsehatra ny fiadidiana ny repoblika ary nanome mpanjifa ny vokatr’izy ireo atao hoe Stork international. Ny 80%-n’ny vokatra amidy, hoy ny fanambarana, dia noterena omena ny stork na dia amin’ny vidiny ambanin’ny masonkarenan’ny orinasa aza no vidiny andraisana azy. Tsy nahagaga, hoy izy ireo, raha nitotongana ny lafiny ara-bola teo anivon’ny orinasa ary nisy mihitsy ny filazana fa sahirana ny orinasa. Vahaolana nomen’ny minisitra koa anefa, hoy ny fanambarana, ny fampidirana amboletra ny orinasa Rosianina Ferrum Mining na tsy nisy tolotra akory aza. Voalaza fa nisy fifanarahana 2 nosoniavina izay tsy fantatra ny votoatiny, hoy izy ireo, fa amin’ny ankapobeny aloha dia lasan’ny Rosianina ny orinasa. Noho izany, hoy ny fanambarana, no nanatanterahan’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Kraoma S.A manerana ny nosy fivoriambe mba hialan’ireo Rosianina any amin’ny toeram-pitrandrahana rehetra sy hanafoanana ny fifanarahana natao an-tsokosoko.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT