Sosialy

Orinasa Kraoma Mitaky ny fanesorana ny Tale jeneraly ireo mpiasa


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Tofoka sy leo amin` ny olana mianjady amin` ny orinasam-panjakana Kraomita Malagasy ny mpiasa manoloana ireo fampanatantenana ataon` ireo mpitantana azy ireo.

 

 

 

 

“Manamafy aho fa ny vahaolana dia ny fametram-pialana na fanesorana ny tale jeneralin` ny Kraoma” hoy Dina Andrianirina, solontenan` ireo mpiasa. Nandefa taratasy mivantana any amin` ny filoha Rajoelina ireo mpiasa ao Brieville momba ireo fitarainana ataon` izy ireo. Tao anatin` izay sivy volana izay dia tsy misy zavatra mandeha amin` ny laoniny ao amin` ity orinasa ity. Diso manjaka loatra ny kitranoantrano eo amin` ny fampidirana mpiasa indrindra eo anivon` ireo toerana ho tomponandraikitra ambony sy mpanolotsaina. Torak` izany ihany koa ny fahazoana alalana ho an` ireo mpandraharaha mikasa hitrandraka ao amin` ireo « sites de Kraoma »… ary santionany fotsiny ireo. Mikasa hanao sit-in ireo mpiasa anio 20 aprily eo amin` ny toerana Zafimahova.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT