Sosialy

Orinasa JIRAMA Tsy mbola nampiakatra vidin-jiro aloha


  • Zoma 29 Mey 2020

Tamin’ny volana Janoary taona 2018 no fantatra fa nampiakatra vidin-jiro farany ny orinasa JIRAMA.

 

 

 

Tsy mbola nampiakatra izy ireo hatreto, na dia misy aza ny fitarainana mandeha, indrindra ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana lalovan’ny firenena izao. Mbola tena sahirana mantsy ny vahoaka hoy hatrany ny tompon’andraikitra, antony nanaovan’izy ireo sy ny fitondram-panjakana ilay tolotra hahafahana mandoa tsikelikely ny vidin-jiro nanomboka ny volana Aprily lasa teo, izay mbola hitadiavana vahaolana hatrany mandrapiverenan’ny fiainana amin’ny andavanandro toy ny teo aloha. Mikasika ilay fahatapahan-jiro naharitra ora maro teny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly tapak’andro maraina dia fantatra fa vokatry ny fahasimban’ilay disjoncteur teny amin’iny faritra 67ha iny no nahatonga izany. Efa nandeha ny asa fanamboarana hatramin’ny omaly izay fantatra fa tsy haharitra ela akory. Miantso hatrany ny mpanjifa araka izany ny JIRAMA mba tsy hisalasala hiantso azy ireo raha toa ka misy zavatra tsy mazava na tranga ilana fanamboarana na fikarakarana maika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT