Sosialy

Orinasa JIRAMA Miezaka manafoana ny delestazy, tsy misy ahiana ny rano vatsiany


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Hiezaka hanome jiro sy rano araka ny tokony ho izy ho an’ireo mpanjifany ny orinasa JIRAMA.

 

 

 Nivoitra izany nandritra ny fitsidihan’ny minisitry ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany  vaovao Atoa  Vonjy Andriamanga tany Ambohimanambola ny alatsinainy hariva teo. Anisan’ny nohazavainy ny mikasika ny fahatapahan-jiro nitranga ny sabotsy lasa teo. Nambarany fa tsy delestazy iny nitranga iny fa vokatry ny olana ara-teknika niarovana ny tambajotra avy any Andekaleka  sady tsy fahatapahan-jiro efa voalamina ihany koa. Nitondran’ny tompon’andraikitra hafa fanazavana ihany koa ny mikasika ny rano vatsian’ny JIRAMA  izay nomarihiny manokana fa tsy misy ahiana. Misy mpanara-maso tsy an-kiato mantsy ny kalitaon’ny  rano ao Ambohimanambola  izay zaraina ho an’ny mponin’Antananarivo ary  iarahan’ny JIRAMA  miasa amin’ny “Institut Pasteur” ny fanaraha-maso izany.  Mahatratra 230.000 m3 isan’andro izany ary ampy ho an’Antananarivo hatrany, hoy ny JIRAMA na amin’ny main-tany na amin’ny fotoam-pahavaratra. Miantso ireo olona manana olana amin’ny resaka rano  ny JIRAMA hifandray amin’izy ireo mivantana amin’ny pejy facebook-ny hahafahana mamaha ny olana haingana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT