Sosialy

Orinasa JB Amboditsiry Mpiasa an-tselika 686 tamin’ny asany


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy an’asa eto amintsika. Taorian’ireo karazana orinasa maro samihafa dia tonga amin’ny dingana tsy azo hanoharana tsy

 

 

 

maintsy handefasana ireo mpiasa an-tselika ao aminy miisa 686 ihany koa ny orinasa JB eny Amboditsiry mpanamboatra vatomamy sy bisikoitra. Raha ny fanazavan’ireo mpiasa ireo dia misy amin’izy ireo no efa niasa 20 taona tao amin’ity orinasa ity raha nisy ihany koa ireo efa nahavita 10 taona na dia an-tselika aza. Ankehitriny anefa dia tsy maintsy haato amin’ny asany aloha izy ireo ary amin’ny 27 Aprily ho avy izao vao antsoina indray. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny tompon’andraikitry ny orinasa dia nanambara izy ireo fa noho ny tsy fisian’ny akora hampiasaina hanamboarana ireo vokatra vokariny toy ny sokola sy vatomamy no antony nanosika azy ireo handefa ireto mpiasa an-tselika ireto. Fanampin’izay hoy hatrany ny vaovao dia mihena ihany koa ny vokatra vokarin’ny orinasa JB ankehitriny izay lasa 67 % sisa ary mety mbola hidina any amin’ny 50% ato anatin’ny telo volana ho avy raha mitohy izao zava-misy iainan’ny firenena ateraky ny coronavirus izao. Tsiahivina moa fa efa nidina teny ifotony nijery ny zava-misy niainan’ireto mpiasa ireto ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny asa sy ny lalana sosialy. Notsindrian’ny tale jeneralin’ny asa tamin’izany fa tokony hiezaka ny orinasa mampiasa mpiasa an-tselika marobe sy efa nahavita an-taonany maro tahaka izao mba handray azy ireny ho mpiasa raikitra ihany amin’ny fotoana mahamety azy. Tsiahivina moa fa miisa 1200 ireo mpiasa raikitra eo anivon’ity orinasa ity ankehitriny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT