Sosialy

Orinasa iray eny Ankadimbahoaka Mamono mpiasa ilay tompon’andraikitra


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Orinasa lehibe iray manana ny maha izy azy dia ireny “zone Industriel” eny Ankadimbahoaka eny no ahitana toe-javatra mamohehatra miendrika tsy fanajana zon’olombelona, hoy ny fampitam-baovao iray.

 

 

 Malaza amin'ny famonoana mpiasa na lahy na vavy (fikasihan-tanana) ny tompon'andraikitra ao, araka ny fitarainana azo. Efa maromaro ihany ny mpiasa nitaraina fa tsy nisy fiovana hatramin’izay, hoy ny fitarainana. Rehefa nandeha ny fotoana dia feno ny kapoaka, ka niafara tamin’ny fitoriana ity tompon’andraikitra ity ny raharaha. Mpiasa iray no sahy nijoro sy nitaraina fa niaina io fikasihan-tanana io, araka ny fitarainana sy ny vaovao marim-pototra voaray. Manaitra ny sain'ny tompon'andraikitra izy, araka izany, hijery akaiky  ity raharaha ity. Marihina fa efa nisy fitarainana nataon'ilay mpiasa any amin'ny manampahefana isan-tsokajiny koa antenaina fa hivoaka tsy ho ela ny momba ity raharaha ity.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT