Sosialy

Orinasa Ericsson Manamafy ny tan-tsoroka aty Afrika


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Misarika ny mba hanomezana toerana hatrany ny tontolon’ny tambajotra sy ny hoavin’ny nomerika aty Afrika ny orinasa Ericsson.

 

 

 

Nandray anjara tamin’ny adihevitra momba fanovana ara-nomerika sy vahaolana mivoatra ho tan-tsoroka amin’ny ho avin’i Afrika eo amin’ny sehatry ny teknolojia na ny AfricaCom, hetsika « virtuel » tafiditra ao anatin’ny « Festival AfricaTech » nanomboka ny 9-12 novambra. Notsipihin’ny Ericsson fa ny ho avy sy ny fampivelarana ny tambajotra ary ny nomerika aty Afrika dia hiteraka vokatra miabo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina, ny fampitaovana hoenti-manatanteraka ny Afrika nomerika, ny asa ho an’ny tambajotra haingam-piasa dia fomba ahafaha manafaingana ny programa nomerika, ny fampivoarana haingana ny tanjona amin’ny 5G aty Afrika sy ny tontolon’ny IA (Intelligence Artificielle). Hikarakaraka fihaonana an-databatra boribory iraisam-pirenena mikasika ny lavaka sy fahatarana goavana ara-nomerika ny Ericsson, izay hiresahana betsaka ny fampifandraisana ara-tambajotra ny sekoly sy ny mpianatra. Fanambin’ny Giga eo anivon’ny UNICEF miaraka amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba fifandraisan-davitra raheto ny hampifandray ny sekoly tsirairay sy hahafahana misitraka « internet » eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana, izay manana anjara toerana goavana amin’ny ho avin’ny tanora. Nanomezany lanja hatrany ny fotodrafitrasa nomerika amin’ny fiodinan’ny fiarahamonina maoderina ny hetsika miavaka nandraisan’ny Ericsson anjara sy niasana tamin’ity taona 2020 ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT