Sosialy

Orinasa Egypsiana Elsewedy Electric Hamatsy fitaovana harifomba ny Jirama


  • Zoma 27 Desambra 2019

Hiara-kiasa akaiky ny orinasa JIRAMA sy ny orinasa Egypsiana Elsewedy Electric. Hiompana amin’ny famatsiana kaontera « intelligent », izany hoe :

 

 

 

  mandeha amin’ny alalan’ny fahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.  Amin’ny volana mey  taona 2020 any ho any farafahatarany io kaontera vaovao io no ho tonga. Voaresaka ihany koa ny fanorenana orinasa mpamokatra ity fitaovam-pamatsiana herinaratra ity eto Madagasikara ka hiteraka asa ho an’ny olona maro izany. Tombony amin’ny fampiasana ny kaontera « intelligent »  moa ny hahafahana manafoana ny hosoka sy ny halatra herinaratra. Tsy hisy intsony  koa ny  fanaterana faktiora isan-tokantrano satria ny  kaontera ihany no mamoaka ny herinaratra lanin’ny mpanjifa. Ankoatra izay dia  tapaka avy hatrany koa ny herinaratra rehefa tsy misy fahana ny kaontera.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT