Sosialy

Orinasa Ambatovy Nanolotra vary 10 taonina ho an’ny CUA


  • Zoma 28 Janoary 2022

Ao anatin’ny ezaka fanampiana vonjitaitra ireo traboina vokatry ny rotsak’orana namely ny faritra maro teto Madagasikara, indrindra, ny teto an-drenivohitra dia nanolotra vary 10 taonina ho an’ny kaominina Antananarivo

 Renivohitra (CUA) ny orinasa Ambatovy omaly alakamisy 27 janoary 2022. Izao anjara biriky nentin’ny orinasa izao dia natao indrindra mba ho fanampiana ireo traboina amin’ireo zavatra ilainy tena maika indrindra ary manampy ny ezaka efa ataon’ny CUA amin’ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana ireo traboina any amin’ireo toerana natokana handraisana azy ireo eto Antananarivo Renivohitra, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nandray io fanampiana io ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina. « Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana vonjitaitra ireo traboina eto Andrenivohitra Ambatovy amin’ny alalan’ny fanohanana ireo ezaka efa ataon’ny Kaominina Antananarivo, toy ny efa nataonay tao Moramanga omaly », hoy ny filoha lefitra misahana ny fandrosoana lovainjafy ao Ambatovy, Philippe Beaulne, nandritra ny fanolorana ireo fanomezana ireo. Izao tolotra izao dia tohin’ny fanampiana efa nomen’Ambatovy ireo traboina ao amin’ny distrikan’i Moramanga, izay nomena vary 10 taonina, ny alarobia 26 janoary 2022.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT