Sosialy

Orinasa Ambatovy Miantso vonjy ireo mpiasa mbola mihiboka


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Mangataka ny mba hahafahany mivoaka sy mirihariha ety ivelany amin’izay ireo mpiasa miisa 40 mbola tavela ao amin’ny orinasa Ambatovy any Toamasina. Efa

 

ho 2 volana mantsy izy ireo izao no nahiboka tao an-toerana ka ho an’ireo lasibatry ny COVID 19 dia efa sitrana izy ireo raha nisy koa ireo tsy narary saingy tratra ilay fepetra ara-pahasalamana ka tsy afaka nivoaka intsony ary mihitsoka tanteraka. Misy amin’izy ireo anefa no efa tratry ny chomage teknika ary efa tsy nandray karama intsony nandritra ny 2 volana. Ireo vady aman-janany any ivelany eo an-daniny efa saika voaroaka amin’ny trano fonenany avokoa hoy ihany ny vaovao koa manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Nomarihin’ireo mpiasa moa fa misy amin’ireo mpampiasa sasany izay tafajanona ao Ambatovy no manao teny tsy voahevitra amin’izy ireo ihany koa ka tsy zakany intsony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT