Sosialy

Orinasa Ambatovy Manohana ny ady amin’ny kitrotro


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Nanolotra fanafody sy kojakoja fampiasa amin’ny fitsaboana (Seringues, cathéters, perfuseurs) tao Toamasina ny orinasa Ambatovy ny 21 janoary 2019 ho fandraisany anjara amin’ny ady atao amin’ny

 

 

valanaretika kitrotro izay misy any amin’iny faritra iny. Hahafahana mitsabo isan’andro marary miisa 60 naiditra hôpitaly noho ny kitrotro mahery vaika ireo fanomezana avy amin’Ambatovy ireo, raha ny fanazavana. Telo tapitrisa ariary no tentim-bidin’ny fanomezana ary mahasahana ny antsasaky ny fangatahana nataon’ny tomponandraikitry ny fahasalamana any an-toerana tamin’ny sehatra tsy miankina. Natokana indrindra izany ho an’ny sampandraharaha mitsabo ny zaza (pédiatrie) ao amin’ny Hopitaly Be Toamasina sy toeram-pitsaboana ifotony CSB ao Fanandrana, Vohitrambato sy ny Dépôt Analakininina ary tranom-pahasalamana ifotony roa ao Tanandava sy Amboakarivo, mba hanohanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny valanaretina. Ankoatra izany dia hanampy ihany koa amin’ireo fanentanana amin’ny fampahafantarana ny soritraretin’ny kitrotro ny ao Ambatovy mba hahafahan’ny ray aman-dreny mitsabo ara-potoana ny zanany alohan’ny hihomboan’ny aretina ka voatery hidirana hôpitaly. Tafiditra amin’ny fandraisan’Ambatovy anjara amin’ny hetsika ataon’ny Vovonan’ny sehetra tsy miankina ho amin’ny asa soa ao Toamasina izao fanomezana izao. Marihina fa isan’ireo sehatra ataon’Ambatovy laharampahamehana ambony indrindra amin’ny fametrahana ny fandrosoana lovainjafy any amin’ireo faritra iasany ny Fahasalamana, ny Aroloza ary ny Fidiovana, hoy hatrany ny fanamarihana.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT