Sosialy

Orinasa afakaba Nikatona ny 4 tamin’ireo mpikambana GEFP


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Sehatr’asa isany nitondra nisedra fahasahiranana tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus izao ny orinasa afakaba. Ho an’ireo mivondrona eo anivon’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires)

 

 dia fantatra fa 4 tamin’ireo 101 mpikambana no nikatona tanteraka. Niasa tamin’ny ampahany ny 54% tamin’ireo orinasa afaka nanohy asa. Nanao asa ampitain-davitra na « télétravail » ny 10% ; nanao fiatoana ara-teknika ny 17%. 34% no afaka niasa tamin’ny ora feno. Na eo aza ny olana sedrain’ny orinasa, saika manerantany dia misy ny azontsika araraotina ihany indrindra ho an’ny sehatra fanodinana lamba raha ny fanazavan-dRakotoarisoa Hery Lanto, filohan’ny GEFP. Sahirana i Bangladesh, miakatra ny sandam-pamokarana any Chine, ny vokatra Malagasy anefa tian’ny Amerikanina, hoy izy. Ka tokony hanampy amin’ny fampahafantarana sy hanao tosika amin’izany ny fanjakana, araka ny fanazavany hatrany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT