Sosialy

Orinasa afaka haba Mpiasa 150 000 tsy ho voaloa ny karama…


  • Zoma 24 Aprily 2020

Na efa miroso amin’ny fanatsaharana ny fihibohana aza tsy mbola misy fiantraikany amin’ny orinasa afaka haba izany, hoy Atoa Hery Lanto Rakotoarisoa Filohan’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires).

 

 

 

Tafiditra ao anatin’ny afak’haba ny mpanao lamba, ny TIC toy ny call center sy offshore, ny fanondranana sakafo am-by fotsy, ny jono… Ireo firenena firenena tena voakasiky ny coronavirus no mandray ny entana. 99% amin’ny entana avy eto Madagasikara,ohatra, dia raisin’i Eoropa, ny lamba raisin’i Etazonia amin’ny alalan’ny Agoa, ary misy ny raisin’i Afrika Atsimo. Tsy mandeha ny fanondranana amin’izao satria ny tsena mihitsy ny voadoana. Raha nisokatra fa tsy nisy fiantoana dia 62 tapitrisa dolara na 223,200 miliara ariary ny vola tokony hiditra amina orinasa 106 ao anatin’ny GEFP. 150 000 ireo mpiasa ary mbola nahaloa ny karaman’izy ireo avokoa ny ankamaroany ho an’ny volana martsa na efa nanomboka sahirana tamin’ny fanafarana akora tany Chine nihavian’ny aza. Betsaka ny nanaja ny fihibohana ny aprily satria voaterin’ny zava-misy ihany koa. Misy ny mampiasa olona 4000 ka tokony hojerena ihany ny hahafahan’ny ireo mpiasa sy fianankaviana 150 000 mivelona satria betsaka ny orinasa tsy hahaloa karama raha tsy misy hanampiana azy ireo, hoy ny Filohan’ny GEFP. Efa misy ny fampiantsoan’ny fanjakana handinihana ny drafitra hoenti-mikaro-bahaolana hanampiana ireo orinasa marobe, ka andrasana ny vokany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT