Sosialy

Orinasa afaka haba Mitady tsy hanaiky hampiakatra karama ny sasany


  • Zoma 14 Febroary 2020

Mitady tsy hanaiky hampiakatra karama raha araka ny fanazavan’ny federasionan’ny sendikan’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa afaka haba eto amintsika omaly ny mpampiasa eny anivon’ny orinasa afaka haba.

 

 Efa nampiakatra 19 %, hono, mantsy izy ireo tamin’ny taona 2019 nanenjika ilay fampiakarana notakian’ny Filoha 200.000 Ar ny farany ambany ka milaza tsy hanao intsony. Hatreto anefa dia mbola 300.000 Ar raha betsaka ny karaman’ny mpiasa iray eny anivon’ny orinasa afaka haba miampy ny ora fanampiny izay nomarihin-dRtoa Lova Fetra Harinoro, sekretera jeneralin’ny federasiona fa tsy mahavelona fianakaviana intsony. Ankoatra izay, maro ny olana sendrain’ny mpiasa. Fitarainana dimy isan’andro raha kely no voarain’ny federasiona. Ankoatra ny vehivavy, maro ihany koa ireo lehilahy lasibatra. Anisan’ny tena be mpitaraina ireo efa tokony ho mpiasa raikitra nefa lalaovin’ny mpampiasa fotsiny ary haatony amin’ny asany tampoka avy eo dia soloiny vaovao. Mba hahafahana miaro ny zon’ireny mpiasa ireny ary dia fantatra fa hiady  amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy any am-piasana ity federasiona iray ity manomboka izao. Hanentana  ny mpiasa mba hiditra anaty sendika ihany koa izy ireo. Hatreto mantsy dia vao ny 10 %-n’ireo mpiasa manerana ny Nosy no miditra anaty sendika raha 30 % ireo eny anivon’ny orinasa afaka haba. Antony mahavitsy azy ireo raha araka ny fanazavany ny tahotry ny horoahin’ny mpampiasa…Nisy omaly ny famolavolana fandaharan’asa hotanterahin’ny federasiona mandritra ity taona 2020 ity narahina fifanakalozan-kevitra momba ny olana sedrain’ny mpiasa….eny anivon’ny orinasa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT