Sosialy

Orinasa afaka haba Mihena ny fidiram-bolan`ireo mpiasa


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Nahitàna fiantraikany tamin` ny famokarana sy ny asa raisin`ireo orinasa afaka

 

 

 

 

haba amin`ny sehatry ny lamba sy ireo mpiasa noho ny fiverenan` ireo firenena maro any ivelany indray amin` ny fihibohana. Saika ireo firenena eoropeanina sy amerikanina no firenena anisan` ny manafatra betsaka ireo entana vokarintsika eto Madagasikara. Miantoka ny fahafahana mahazo asa betsaka ho an`ny orinasa ny fisian`ny fitoniana amin`ny lafiny rehetra saingy tsikaritra fa misy fiantraikany amin`ny fanafarana ireo vokatra ho any ivelany ny valanaretina Covid-19. Izany dia miantraika mivantana amin`ireo mpiasa eny anivon` ireo orinasa afaka haba. Tsy vitsy no mitairana satria misy fiantraikany amin` ny fiainana andavanandrony mihitsy ny tsy fisian` ny asa. “Mihena ny ora hiasana ; foana ny tombotsoa kely mba hahazoana ora ambony ampanga (heures supplémentaires)” hoy ny mpiasa iray ao amin` ny orisana afaka haba iray etsy Anosizato. Tsy ny mpiasa ihany anefa no matiantoka fa na ireo orinasa mihitsy aza. Tsiahivina fa mampiditra vola betsaka anaty kitapom-bolam-panjakana amin ny alalan`ny hetra efainy ireny orinasa tsy miankina ireny izay azo heverina fa mbola tsy tafarina amin`izao indrindra ireo orinasa afaka haba mpamokatra lamba.

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT