Sosialy

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa


  • Zoma 03 Aprily 2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

 

 

nangirifiry tokoa nanomboka ny alatsinainy 23 martsa teo noho ilay resaka fihibohana tsy hahafahan’ny fiara fitateram-bahoaka miasa sy mvezivezy. Saika nandeha dia an-tongotra avokoa ny rehetra noho izany, nikiry nanohy ny asa fivelomany. Dimy andro ihany anefa raha betsaka no vitan’ny sasany dia tsy nitohy intsony izany hany ka tsy vitsy ireo nijanona tsy fidiny. Ireo mipetraka 3 km manodidina ny orinasa ihany sisa no miasa amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao tamina orinasa afaka haba iray. Tsy ny aretina intsony mantsy no hatahorana hahafaty azy ireny fa ny dia an-tongotra sy ny hanohanana izay vao mainka hampihena ny hery fiarovana ao anatiny hoy ireo tompon’andraikitra. Miahiahy ny amin’ny mety hahazo azy sy ny karama horaisiny araka izany ireo mpiasa nijanona tsy fidiny ireo. Misy indray anefa ireo nalefa fampiatoana ara-teknika mihitsy toy ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba iray miisa 1600 etsy Anosizato. Inoana araka izany fa hijery ireny mpiasa niato tamin’ny asany tsy fidiny ireny ny fanjakana noho ny aretina coronavirus.

 

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT