Sosialy

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Mitombo isa hatrany ny tsy an’asa eto amintsika. Ho an’ny orinasa afaka haba dia efa nanomboka tamin’ny volana Janoary lasa teo izy ireny no nanala mpiasa tsikelikely noho ny tsy fisian’ireo akora fototra hafarana avy any ivelany hampiasainy

 

 

 

. Lohalaharana amin’izany i Chine, izay firenena nipoiran’ilay tsimok’aretina coronavirus nefa tena mpamatsy ny firenena an-dalam-pandrosoana toa antsika. Mpiasa 2200 indray afak’omaly no nalefa « chômage technique » . Niasa tamina orinasa afaka haba iray etsy Ankadimbahoaka izy ireto. Mandritra ny fotoana tsy voafetra no iainan’ireo mpiasa izany raha araka ny fantatra nefa nihindram-bola tany amin’ny banky avokoa ny ankamaroan’izy ireo.Ankoatra izay dia orinasa afaka haba iray eny Andranomena ihany koa no nandefa mpiasa an’arivony ho chômage technique afak’omaly ihany ka velon-taraina avokoa ireo voakasika. Marihina moa fa maro tamin’ireny orinasa afaka haba ireny no nanome toky ny filoha fa hitazona hatrany ny mpiasa ao aminy saingy ankehitriny tsy hita taratra intsony izany. Velon-taraina ireo mpiasa ny amin’ny fiainany satria misy tsy voaloa araka ny tokony ho izy ny zon’ny mpiasa araka ny nambaran’izy ireo.Etsy ankilan’izay koa anefa mazava be fa mihena mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy ny kaomandin’entana ataon’ny any ivelany noho ireo firenena maro sahirana noho ny Coronavirus, ka izay no mahatonga ireo tompona orinasa manakatom-baravarana aloha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT