Filaharana lava be no tsikaritra manoloana ireny orinasa afaka haba ireny amin’izao fotoana izao.
Raha ny teny amin’ny orinasa Floreal Andraharo dia nanambara ny tompon’andraikitra fa vao vantany misy fampahafantarana mahakasika ny fitadiavana mpiasa apetraka eo amin’ny fafana dia maro be ny olona tonga. Raha ny omaly izao dia aman-jatony no tonga teny an-toerana ary tena mangetaheta mitady asa satria lava ny filaharana amin’ny fanaterana antontan-taratasy. Nilaza ny ankamaroan’ireo mpiasa fa aleo miasa amina orinasa afaka haba noo izy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana. Nitaraina kosa ireo sasany avy niasa tany amin’ny sinoa satria rehefa avy manapitra ny fizarana asa (essai) mandritra ny enim-bolana dia soloina avy hatrany amin’izao. Tsy misy mpiasa raisina raikitra eny ankehitriny fa soloina hatrany ny mpiasa rehefa mahavita izay enimbolana izay ary lazaina fa tsy mahafa-po. Ankoatran’ny tsy filana filazam-pahaizana ambony mantsy dia mba mijery ny fahaizana ara-kasa (experiences) efa nolalovana ihany koa ny rinasa afaka haba. Mampitaraina ny mpiasa ny fitondrana sy ny tsy fitsinjovana ny mahaolona saingy tsy maintsy atao aloha izany nohon’ny fahasahiranana sy ny fahantrana mianjady. Tokony hanaovana ezaka ny fanatsarana ny fitondrana sy ny fitantanana ny mpiasa hipaka sy hampivoatra ny zo sy ny farim-piainan’ny mpiasa
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.