Sosialy

Orinasa afaka haba eny Andraharo 1000 indray no very asa


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Mpiasa miisa 1000 indray no very asa teny amina orinasa afaka haba iray teny Andraharo.Efa ho iray volana sy tapany no tsy niodina ny orinasa;

 

 nasaina niverina tany am-piasana izy ireo mpiasa omaly ka teo ny tompon'andraikitra no nilaza fa tena sahirana ka tsy maintsy handefa mpiasa.Namporisihana mba hametra-pialana na hanao "depart volontaire" ireo mpiasa.Tsy nanaiky izany anefa izy ireo satria tonga dia very zo rehefa mametra-pialana.Tonga ny sendika nanelanelana ary mbola mandeha ny adihevitra; jerena izay marimaritra iraisana tsy hahavery zo ny mpiasa sy tsy hahafaty ny mpampiasa, hoy ny resaka teny Andraharo omaly.Mahafantatra tsara ny krizy misy izahay, hoy ireo mpiasa saingy aleo kosa mba hisy ny fifampiresahana sy fitsinjovana ny momba anay fa tsy tonga dia samy vita izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT