ORINASA AFAKA HABA ENY AMBOHIMANARINA

Nitokona nitaky ny hisian’ny solon-tsakafo ireo mpiasa


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Betsaka ireo orinasa mbola tsy manome sakafo atoandro ny mpiasa ao aminy amin’izao,

indrindra fa ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Raha tsiahivina kely anefa dia manome hery ny mpiasa ny fanaovan’ny mpampiasa izany ka tsy misy loatra ireo mpiasa lazoan’ny aretina lava, mampazoto miasa azy ireny ihany koa ny fisian’ny sakafo iraisana no sady miteraka firaisankina eo amin’ny samy mpiasa. Namerina ny nitaky ny mba hisian’izany ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa iray misehatra amin’ny lamba etsy Anosivavaka Ambohimanarina omaly Talata 06 Febroary. Raha araka ny fantatra dia efa 12 taona no nitakian’izy ireo izany saingy tsy mbola nisy vokany hatramin’ny androany. Tsy nangataka intsony ireo mpiasa 700 mianadahy araka izany fa nitokona mihitsy ka rehefa tsy misy hoy izy ireo ilay sakafo masaka iraisan’ny mpiasa dia solon-tsakafo no hangatahinay. Nohararaotin’izy ireo tamin’izany ihany koa ny nitaky ny fampiakarana ny kilasy misy azy na ny classification. Misy efa 10 taona no mihoatra mantsy izy ireo no niasa sy nanompo ity orinasa ity saingy toa herim-po very maina fotsiny izany. Ny karama anefa etsy an-daniny hoy hatrany izy ireo zara raha miakatra nefa ny fiainana mihasarotra. Nilaza moa ireo mpiasa fa hihamafy ny fitokonana hotanterahin’izy ireo raha toa ka tsy mandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ireo mpiasa nitokona omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT