ORINASA AFAKA HABA

114 hosintonina ny « agrément »


  • Alakamisy 18 Jona 2026

Orinasa afaka haba miisa 141

no fantatra fa tsy manara-dalana ka tsy maintsy hosintonina ny agrément -ny hoy ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina Raharimanjato Ny Riana Nampoina omaly. Noho ny tsy fandoavan'izy ireo hetra ara-dalana no voalaza fa antony tsy mantsy handraisan'ny Fitondram-panjakana izany fepetra izany. Miteraka fatiantoka lehibe ho an'ny firenena hoy hatrany ny fanazavan'ny Ministra arahin'ny fanondranana tsy manaraka ny fifanarahana natao. Tsy midoika ho fanakatonana avy hatrany ny orinasa anefa izany hoy hatrany ny Minisitra fa fijerena ihany koa ny tombony ho an'ny firenena sy famerenena ireo tsy manara-dalana hiditra ao anatin'ny ara-dalana. Ankoatra ny orinasa afaka baha moa dia fantatra fa 30% amin'ireo milina ODOF miisa 85 eto amintsika ihany koa no miodina ankehitriny. Ny 70% dia mipetra-potsiny avokoa nefa nandanian'ny fanjakana vola. Antony tsy mampiodina ireo 70% ireo hoy ny Minisitra ny fametrahana fahatany ny milina ODOF any amin'ny toerana tsy tokony hisy azy. Raha any Mahajanga ohatra no tokony hametrahana ny milina ODOF mpanodina manga dia any amin'ny toeran-kafa izany no nataon'ny sasany. Hiroso amin'ny fanarenana sy ny fampiodinana azy ireny koa ny Ministera noho izany.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa nokarakarain'ny Ministera ho an'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fisoratam-panambadiana
  • Zoma 19 Jona 2026

faobe tao Antehiroka «Ilaina sarihina amin’ny

  • Menaka 20 litatra
  • Zoma 19 Jona 2026

Nivadika rano maloto

  • Feno 10 taona ny sendika SSM
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Lasa minisitra ireo filoha

  • Fanarenana ny barazy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Befaka - Sahamadio

  • Fisokafan'ny taom-piotazana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

8.000 Ariary ny kilaon'ny

  • FOIRE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

INTERNATIONALE DE L'AGRICULTURE

Hijery ny tohiny
FTT