Sosialy

Orana maivana Tondraka sahady i Besarety, Andravoahangy, Antsakaviro


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Mbola orana maivamaivana toy iny nitranga omaly iny dia efa naha tondraka sahady an’i Besarety sy Andravoahangy ka hatrany amin’iny Antsakaviro iny.

 

Mahagaga ihany hoe efa am-bolana maro ary nitambatra ho taona mihitsy no nanamboarana iny lalan’i Besarety sy ny manodidina iny ary raha ny fanazavan’ireo tekinisianina nitarika ny asa aza dia hoe tafiditra ao anatin’izay ny fanadiovana ireo tatatra sy fanalana ny tsentsin’ireo lakan-drano. Akory anefa ny hagagana omaly fa dia mbola tsy nilaozana ny lazan’i Besarety sy ny manodidina azy miaraka amin’ny ranobe hatreny am-poto-pe. Isan’ny mampametra-panontaniana hatrany koa manoloana ny tranga toy itony hoe aiza ho aiza izany amin’izao fotoana izao ilay lazaina fa biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC? Mbola tsy nahita vahaolana maharitra hiatrehana sy ny loza mety hateraky ny fahavaratra ihany ve tao anatin’izay taona maro izay? Roa herinandro lasa teo izay no nampahafantaran’ity rafitra ity fa efa miomana hiatrika ny fahavaratra izy ireo ka ny isam-pokontany sy ny kaominina koa dia mila miomana fa tsy hisy fahagagana eto saingy iny sahady moa no nitranga.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT