Dibo-drano tanteraka Antananarivo noho ny oram-be nikija omaly tolakandro. Saika difotra ny ankamaroan’ireo toerana iva, toa an’i Besarety, Andravoahangy, Isotry, Anosy,
Andrefan’Ambohijanahary, Soanierana,… Nirarakopana ny fahasimban-javatra, ary nisy ny namoizana ain’olona roa lehilahy sy vehivavy, vokatry ny firodanana tamboho teny Nanisana, raha ny vaovao azo. Mbola nisy nokarohina.Ankoatr’izay vehivavy bevohoka iray no main’ny herinaratra teny Ivandry ka namoy ny ainy ary nisy lehilahy iray maty an-drano ihanykoa teny Androhibe.Tombanan’ny BNGRC ho 371 ireo traboina eto Antananarivo hatry ny omaly aloha vokatry ny ora-mikija sy ny fiakaran’ny rano Maro ny tamboho nirodana noho ny tanjaka sy ny hadirin’ny rano be. Tokantrano an’arivony no dobo noho ny fiakaran’ny rano, ary nisy maro nirodana. Nisy ihany koa ny firehetana trano niseho teny Anosibe noho ny fipoahan’ny varatra. Ho an’ny tetsy amin’ny 67 ha ambadiky ny orinasa jirama manokana dia tonga hatrany an-trano ny ny rano raha araka ny fitarainana voaray. Teny Andravoahangy indray dia tonga hatrany amin’ny tratran’ny mpitondra sarety ny rano. Olona telo no nianjera tao anaty rano vokatry ny fahaizana mitaingin-tsarety. Nandoavana 1000 Ar isan’olona anefa ny saran-dalana rahab 500 Ar ny mora indrindra.Fa ankoatra ireo dia toerana maro ihany koa no niaina tao anatiny delestazy lavareny.
SARY 1
Delestazy
Ho an’ny tetsy Soanierana manokana dia nanomboka tamin’ny 02 sy sasany folakandro ny jiro no tapaka ary tsy niverina raha tsy maizina ny androTena tra-boina tanteraka ny ankamaroan’ny tanàna eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Maro ny antony miteraka izao olana goavana izao, toy ny fahatsetsenan’ny tatatra noho ny loto, ny fanorenana tsy ara-dalàna,… izay mety ho endriky ny fandrorana mitsilany ihany. Manomboka mafy ihany koa anefa ny orana noho ny fahasimbanin’ny tontolo iainana. Toa mahakely finoana ny hisian’ny vahaolana maharitra satria tena miainga amin’ny fiarahamonina sy ny isam-batan’olona mihitsy, ankoatra ny andraikitra raisin’ny mpitondra isan-tsokajiny. Rehefa ny olona no tsy mahay mifampitsinjo sy tsy mahay mifanitsy sy miara-tonga saina amin’ny fanariana loto manentsina ny tatatra sy manao fanorenena tsy ara-dalàna, dia vao mainka hihamafy io. Ny fanotorana tany gaboraraka ataon’ny mpanam-bola mandeha ihany, izay olona manana fahefana eto amin’ny firenena no afaka manome alalana amin’ireny. Toa mitombina ihany koa ny hoe: hety dia hety tanteraka Antananarivo, ka mila tanàna vaovao. Raha izao anefa ny voka-dratsiny mbola tsy misy ny fanotofana ny ilany andrefan’Antananarivo fivarinan’ny rano hananganana ny Tanà-Masoandro, dia efa ampoizina fa mety ho mafy noho izao ny loza mety hiseho.
Toky R sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.