Sosialy

Ora-mikija tao Mahajanga 250 isa mahery sahady no traboina


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Taorian’ny orana nikija nandritra ny telo andro tao Mahajanga dia nisy ny fiakaran’ny ranomasina.

   

  Nobatain’ny rivotra sy ny rano niakatra teny amin’ny  arabe ireo vatobe natao aro riaka sisin-dranomasina sy ny fasika teny amin’ny “Bord de la mer”. Efa nitsahatra ny orana ary efa mibaliaka ny masoandro arahina rivotra maivana ao Boeny nanaomboka omaly alarobia 23 janoary, raha ny fampitam-baovao. Mba hampiverina amin’ny laoniny ny hatsaran’ny Bord de la mer,  toerana mampalaza ny  tanànan’i Mahajanga dia tonga nanadio ny faritra vao maraina omaly ireo tsara sitrapo : olon-tsotra, fikambanana,  mpamonjy voina, mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina, notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny sy  ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga. Nampiasaina ireo  fitaovana  vaventy natolotry ny BNGRC. Nambaran’ny lehiben’ny Sampandraharaha fiaravona ny olona (Service de la Protection civile) izay sady mpiandraikitra ny BRGRC Boeny fa vokatr’iny  ora-mikija nandalo telo andro iny dia efa nisy sahady ireo traboina maherin’ny  250 eo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT