Faly sahirana ny mponina any Atsimo Andrefan’ny Nosy noho ny oram-be tsy nifankahitana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro vokatry ny tangoron-drahona matevina.
Amin’ny lafiny iray, fahasoavana ny orana satria anisan’ny toerana ory rano ny tapany Atsimo ka fotoana fanararaotana hahafahana mamboly ny firotsahan’ny orana tahaka izao. Diso be loatra anefa ny rano, ka mivadika ho loza satria dibo-drano tanteraka ny tanàna, toa an’i Bekily, Androy, Amboasary Atsimo, Mondava … Maro ny traboina naterany. Na tranom-panjakana na toeram-ponenana tsotra lasibatra avokoa, toy ny tao Tanandava any Amboasary Atsimo, hatreny am-balahana ny rano ary anisan'ny dibo-drano ny tobin’ny zandarimariam-pirenena Tanandava. Simba daholo ny ankamaroan’ireo dosie. Ny any Morondava, mampivarahontsana ny fiakaran’ny rano. Voatery miala amin’ny fonenany ny amin’ny faritra iva. Raha ny vinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro dia ho antonony na ho betsaka ny rotsak’orana (100 hatramin’ny 200 mm) ny herinandro voalohany, izany hoe ny 18 hatramin’ny 24 febroary amin’ny distrikan’i Maintirano, Morafenobe, Antsalova, Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe, Toliara, Betioky Atsimo ary Ampanihy. Ny herinandro faharoa, izany hoe ny 25 febroary hatramin’ny 03 martsa, dia antonony na ho betsaka ny rotsakorana (75 hatramin’ny 100 mm) amin’ny distrika amin’ny faritra Bongolava sy ny distrikan’i Miarinarivo, Soavinandriana, Faratsiho, Betafo ary Antsirabe. Tsy ahiana firy ny mety hiforonan’ny rivodoza amin’ity herinandro ity (18 hatramin’ny 24 febroary 2019) raha ny ao atsimon’ny Nosy na eo aza ny fivoaran’ilay andian-drahona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.