Sosialy

Ora iray ho an’ny tany Nisongadina ny fiarovana ny tontolo iainana


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Hetsika fanao isaky ny faran’ny volana martsa ny fankalazana ny ora iray ho an’ny tany ho fiarovana ny tontolo iainana.

 

 

 Fankalazana nakotrokotroka no nentina nanamarihana izany teto an-drenivohitra, nokarakaraina fikambanana miisa 20 mivondrona ao anatin’ny tambajotra iray mamiko ny tany. Ankoatra ny fanentanana tany an-tsekoly sy teny anivon’ny fiarahamonina dia mbola nanao diabe niainga teny Mahamasina nihazo ny parvis hotel Analakely izy ireo ny sabotsy teo miantso ny rehetra mba handray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana noho ny fahasimbany. Narahina fampahafantarana ny asan’ireo fikambanana izay nanangana tranoheva teny amin’ny parvis hotel izany nofaranana tamin’ilay fifaninanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana nampanaovina ireo ankizy sy tanora 51 mianadahy. Ny dimy tamin’ireo no tafakatra tamin’ny dingana famaranana namolavola tetikasa momba ny fiarovana ny tontolo iainana raha iray kosa no nivoaka ho mpandresy. Raha araka ny fantatra dia io tanora iray no ho lasa masoivohon’ny WWF amin’ity taona ity sady handray anjara amin’ireo hetsika momba ny fiarovana ny tontolo iainana hatao any ivelany. Nisy ny sabotsy hariva teo ny famonoana jiro nandritra ny ora iray nanomboka tamin’ny 8 ora 30 ka hatramin’ny 9 ora sy sasany alina nentina nanamarihana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT