Sosialy

Ora fiasana noferana Mampikolay orinasa maro


  • Talata 28 Aprily 2020

Nanomboka ny 21 martsa no niditra tamin’ny fihibohana isika noho ny fahatafidiran’ny coronavirus.

 

Noraisina ny fepetra Fampiharana ny vanim-potoana manokana tamin’ny alalan’ny lalàna 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 sy ny didim-panjakana hafa mametra ny hamehana ara-pahasalamana. Nikatso ny asa aman-draharaha, nihantra ny fepetra maro samihafa, nofehezin’ny fanjakana ny haino aman-jery, tsy afa-nivezivezy ny fiara, elanelana iray metatra, fanaovana tampim-bava,… Hatramin’ny mitataovovonana no mila nihidy ny tsena ary tena mila mihiboka. Amin’ny 12ora atoandro angaha vao mivoaka sy mahery vaika ny coronavirus? Nifanindran-dàlana tamin’ireny ny fizaran-javatra nataon’ny olom-panjakana, nandeha ny tsena mora, izay tsy nisy fepetra voahaja,... Somary niova nanomboka ny 19 aprily fidirana tamin’ny tapa-bolana fahatelo, saingy mbola mihantra ny hamehana, na miala tsikelikely amin’ny fihibohana aza. Amin’ny 1ora dia mitsahatra ny asa aman-draharaha. Ny fepetra fiarovana no mila hamafisina, fa tsy hoe rehefa mody aloha dia afa-bela amin’ny covid-19. Inona moa izany no maha samihafa ny mirava amin’ny 1ora atoandro sy ny mirava amin’ny 5 ora hariva. Mitovy ihany ny lalana aleha sy taksibe raisina. Sa kosa manomboka amin’ny 1ora no fivoahan’ny coronavirus ? Ny famokarana no mihena, izay mamotika hatrany ny toekarena. Orinasa maro no mikolay. Nambaran’ny Filoha fa 100 miliara ariary mahery no tsy hiditra amin’ny fanjakana ho tambin’ny tsy fandroahana mpiasa, saingy orinasa maro no tsy ara-manoatra. 444 tapitrisa dolara mahery kely no noresahina, fa mbola misy ankaotra izay tato aoriana. Sady natao hiatrehana ny valanaretina io no hoenti-manarina ny toekarena, saingy hatreto mbola baraingo izany resaka toekarena sy sosialy izany, fa olom-bitsy no voatsinjo, kanefa ny sarambabem-bahoaka no efa mikaikaika. Ny fiainam-bahoaka miha mitotongana ihany, miha sahirana, ny orinasa vizana avokoa,… Tsy atao mahagaga raha efa misy ny manohitra ilay amin’ny 1ora na hitondrana basy aman-tafondro aza. Noana, sahirana, tsy misy hohanina,… Tsy aleo ve ny rehetra hiasa sy hivelona fa kosa ampiharina sy hamafisina ny fepetra fiarovana, fa tsy ny vahoaka no toa atao takalon’aina amina fepetra toa misy kajikajy hafahafa hanaporofoana ny fandaniana ny volabe azo, kanefa izay fitsinjovana tsy misy afa tsy ampahan’olona ihany no misitraka izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT