Sosialy

Ora fanariana fako eto an-drenivohitra Manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Betsaka ireo olona tsy mahafantatra ny ora fanariana fako eto an-drenivohitra, hany ka manatanteraka izany amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana azy.

 

 

Nanamafy omaly ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny kolonely Ramboasalama Emilien fa isan-kariva manomboka amin’ny 5 ora ka hatramin’ny 8 ora alina ny ora fanariana fako eto an-drenivohitra,  araka ny didim-pitondrana avy amin’ny kaominina laharana faha-826  tamin’ny taona 2013. Aorian’ireo ora telo ireo dia efa miasa indray ireo fiarabe hofain’ny SAMVA mitaona ny fako mihazo an’Andralanitra hisorohana ny valan’aretina tsy hiparitaka, indrindra amin’izao fotoana filatsahan’ny ranon’orana ireo. Nomarihin’ity  lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna ity moa fa efa tena manao ezaka amin’ny asa fanadiovana an’Antananarivo ny SAMVA sy ny kaominina ankehitriny na dia tsy tena andraikitr’izy ireo intsony aza izany. Ho an’ny SAMVA manokana  dia fantatra fa hividy fiarabe vaovao izy ireo hanampiana ireo efa misy eo am-pelatanana hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT