Sosialy

Opération Vonjy Mitohy ny fanampian`ny Tafika ireo tratran`ny kere


  • Talata 10 Novambra 2020

Manoloana ny ady atrehan’ny firenena amin` ny tsy fanjarian-tsakafo, izay mamely any amin`iny tapany Atsimon` ny nosy, dia mandray anjara mavitrika ary tsy mitarain-tana-miepaka ny teo anivon’ny Tafika fa indrindra ireo mpitsabo miasa eny anivon’izy ireny na miaramila io na sivily.

 

 

 

Anisany nomen`ny filoham-pirenena andraikitra ao anatin` izao ady atao ho famonjena ny mpiray tanindrazana ny Tafika Malagasy. Iray volana teo izao ny efa any an-toerana ireo miaramila miisa 500 avy amin`ny BMM. Mitohy ny fizaham-pahasalamana ataon'ireo miaramila mpitsabo ka ao Ambatobory distrikan'ny Tolagnaro indray izy ireo no manatanteraka izany. Marihana ihany koa fa miaro sy manohana ireo rehetra misehatra amin`izany ny andraikitry ny Tafika. Voasokajy ho faritra mena ireo toerana misy ny kere hany ka nasiana fisafoana na ny atoandro na ny alina hiarovana ny fmatsiana sy ireo rehetra misehatra amin`ny kere toy ny BNGRC, ny ONN sy ny solontenan`ny mpamatsy vola, eo koa ny fanomezan-tanan` ny minisiteran`ny rano amin`ny fitaterana ny rano amin`ny alalan` ny sinibe. Torak`izany koa ny fitaterana sy ny fizarana sakafo aminìroe toerana ianjadian`ny tsy fanjarian-tsakafo ataon` ny ministeran`ny mponina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT