Sosialy

Open National de Taekwodo ITF Norombahin-dRabarison Patrick avy any Ambatolampy


  • Talata 18 Febroary 2020

Nafana tanteraka ny hetsika Taekwondo fiadiana ny “Open National de Taekwondo ITF” notanterahina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny alahady 16 febroary lasa teo.

 

  Ity fifaninanana ity no nanokatra ofisialy ny taom-pilalaovana WITC “World ITF Taekwondo Council” eto Madagasikara. Ramaroharilala Dinanantenaina mpikatroky ny club Mata Ambatolampy no nandrombaka ny fandresena tamin’izany rehefa nandavo an-dRabarison Patrick avy any Tsiroanomandidy Bongolava. Ity ekipan’i Bongolava ity kosa no nandrombaka ny amboara “Trophée de demonstration” sy ny fifaninanana “Concours de technique speciale” izay namakian-dRakotoarison Nirina Jimmy tamin’ny tongotra ny “Planche” notazomina tamin’ny haavo mirefy 2,25 m. Io ilay antsoina hoe : “Nopi Tchaggi”. Nambaran’i Me Raheriharimahefa Cyprien Michel mpanorina an’ity Taekwondo ITF ity teto Madagasikara fa eo am-piandrasana ny fankatoavana ofisialy an’ity taranja ity eto amintsika dia hotohizana hatrany ny fanofanana an’ireo “instructeurs” sy mpitsara Taekwondo ITF eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra.

Ny hetsika Taekwondo ITF manaraka dia ny ady ho  fanamarihana ny faha-25 taona nampianaran’i Me Randriamahefa Herizo (Promotion de l’expert Kim Se In) an’ity taranja ity teto Madagasikara.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT