Sosialy

Oniversiten’Antananarivo Sakoroka tsy nifankahitana indray


  • Talata 16 Aprily 2019

Nafana indray ny sakororoka teny Ankatso omaly. Nifamaliana ny tora-bato sy ny baomba mandatsa-dranomaso hatrany amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Ao anatin’ny fampikatsoana tanteraka ny fampianarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao anatin’ny SECES Antananarivo.

 

Naneho ny tsy fahafaliany ny mpianatra, izay nisafidy ny hanampy tosika ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao anatin’ny SECES Sampana Antananarivo. Toy ny mahazatra, dia nisafidy ny hetsika mahery vaika kokoa tamin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe sy ny toratoraka, kanefa efa niatrana tsy lavitry ny fiantsonan’ny fiara zotra 199 ireo mpitandro ny filaminana. Nifamaliana ny tora-bato sy lakrimozenina nandravana ny hetsika sy nanaparitaka ireo mpianatra hatrany amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Marihina fa efa namaly bontana ny SECES ny praiminisitra Ntsay Christian, izay tsy nandray azy ireo sy toa nanipy baolina tany amin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Efa iray volana mahery sy herinandro eo ho eo ny fitokonan’ny SECES, ary ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izay sokajiana  manampahefana mahefa eto amin’ny tany sy ny firenena no nangatahin’ny SECES hifampidinika amin’izy ireo, saingy tratry ny henoy izany ry hazon-damosiko. Naman’ny mandrisika ny SECES ho an’ny taona fotsy izao. Toa naman’ny manipy teny ny fanjakana fa tsy afaka ny hamaly ny fitakian’ny SECES, hany ka antso an’efitra hatreto ny hetsika. Anisan’ny antom-pitakian’ny SECES ny tsy fahampian’nympampianatra sy mpikaroka, kanefa tsy misy fandraisana vaovao. Ireo am-perinasa nahavita be tamin'ny fanompoana tsy hasondrotra noho ny fikatsoan'ny ''reclassement'' sy ''avancement'' navoakan'ny minisiteran'ny toekarena sy vola ary ny tetibola. Ireo Zokiolona manana traikefa tsy avela hanohy satria nofoanana ny ''maintien en activité'',... Miditra amin’ny fampiasana hery ny mpitondra, ka taorian’ny teny Vontovorona vao tsy ela, dia raikitra indray izany ny fandravana fitakiana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT