Sosialy

Oniversiten’Antananarivo Manamafy ny hetsika ny PAT, mandrahona ny mpianatra


  • Zoma 15 Oktobra 2021

“Efa nihaona tamin’ny tompon’andraikitra rehetra, ka dia miandry eto aloha izahay. Mbola tsy misy fandaharam-potoana mari-pototra aloha, voatery tsy maintsy hihemotra ny fidirana,…

 Nametraka ny fifanajana fifanajana izahay, nentina am-pahendrena hatramin’izay. Rehefa hendry ohatr’izao ve ny olona dia havela fotsiny eo. Efa tamin’ny 21 aogositra no nandray vola farany. Efa famonoana anay ankolaka ilay izy, fa tsy maty izahay”, hoy ireo mpandraharahana na PAT (Personnel Administratif et Technique) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo nanao hetsika teny amin’ny Esplanade Ankatso omaly. Nilaza izy ireo, fa hitohy ny tolona, ary na hipatrapatraka amin’ny tany azan y rànay tsy hanaiky intsony, hoy ireo mpandraharahan’ny oniversite. Mifanindran-dàlana amin’izany, nanome fe-potoana 72 ora hamahana ny olana ihany koa ny mpianatry ny siansa sy matematika. Isan’ny takian’izy ireo ny famahana ny olan’ny “digitalisation” mahatara ny fisitrahana vatsim-pianarana, fa indrindra ny olan’ny mpandraharaha mampikatso ny fianarana. Mpianatra maherin’ny 700 no mbola tsy nandray vatsim-pianarana ao amin’ny siantsa hatry ny omaly, raha ny nambaran’izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT